Huawei Madagascar: manampy ny tanora ho tonga mpandraharaha

Mamolavola tanora ahafantatra ny tontolon’ny asa sy ny haitao ara-kajy mirindra ny Huawei Madagascar. Manana fandaharanasa telo karazana ity orinasa lehibe ity hanampiana azy ireo

Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny niomerika ny haitao ara-kajy mirindra. Antony mahatonga ny orinasa Huawei Madagascar mamolavola fandaharanasa mifantoka amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity. Indrindra ho an’ny mpianatra sy ny tanora malagasy izay ahazoana tombontsoa maro samihafa. Ao ny fanamorana ny fidirana amin’ny sehatry ny asa, ny fifaninanana eo amin’ny niomerika ary ny tontolon’ny fandraharahana. “Miara-mi­asa amina oniversite fito eto Madagasikara izahay hanaovana ity ICT Academy ity”, hoy i Botoale Quesiah, talen’ny serasera eo anivon’ny Huawei Ma­da­gacar. Mifantoka amin’ny fiofanana ho an’ny mpianatra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ahazoana mari-pankasitrahana ny ICT Academy . Tafiditra amin’izany ny fanamorana ny fidirana miasa eto Madagasikara sy any ivelany. Ankoatra ity, misy koa ny ICT Compétition, fifaninana iraisam-pirenena momba ny haitao ara-kajy mirindra sy ny niomerika izay handraisan’ny mpianatra anjara. Tamin’ity taona ity, nahazo ny laharana faharoa ny Malagasy. Fifaninana natao ny 14 mey 2023 teo, hoy hatrany ny fanazavana.
Fandraharahana
Ankoatra izay, manana ny fandaharanasa “Seeds for the future” ihany koa ity orinasa lehibe ity. Natao ho fanefena ireo maniry ho lasa mpandraharaha izany sy ho fanomezana azy ireo ny fahalalana rehetra momba ny tontolon’ny fandraharahana. Misy ny fa­matsiam-bola hatramin’ny 100 000 dolara, entina manatontosa ny tetikasany.

Henintsoa Hani.

Partager sur: