Fandraharana: Tanora 49 nahazo « Titre vert »

Tanora Mpandraharaha avokoa ireo 49 voafantina hisitraka ny tetikasa « Titre vert » eto amin’ny faritra Analamanga. Volana vitsy lasa izay, nisy ny fiantsoana an’ireo maniry hisitraka izany. Nanambaran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana fa mahatratra 150 ireo mpandraharaha hahazo sy hisitraka ny tetikasa, hoy ny loharanom-baovao iray. Betsaka tokoa ireo tanora liana amin’ny fihariana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Araka izany, nisy ny fandraisana ireo antontan-taratasy samihafa ho an’ireo maniry hisitra ny « titre vert » tany amin’ny faritra, toy ny tao amin’ny kaominina Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka. Fihariana tafiditra amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny famoronana asa ho an’ny tsirairay izany. Fomba iray hidirana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fanaovana ny « Titre vert » indrindra amin’ny famokarana sy fano­dinana ary fivarotana vokatra. Mampiroborobo sahady ny toekarena sy ny fiharinan’ny mponina amina faritra iray ny tetikasa toy izao noho izay mampirisika ny famokarana ho an’ny tanora sy ho an’ireo mpandraharaha. Miteraka asa sy fahavitan-tena ara-tsakafo izay miteraka tombontsoa eo amin’ny sosialim-bahoaka. Tanisaina amin’izany koa ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny vokatra malagasy izay anisan’ny efa mahasarika teratany vahiny amin’izao fotoana izao. Fantatra fa andry iankinan’ny fandrosoana sy ny fivoarana ny famokarana anatiny. Tsiahivina fa tanora 18 ka hatramin’ny 40 taona no kendren’ny tetikasa, manana fahaizana amin’ny fambolena sy fiompiana ary manana traikefa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, indrindra ny fambolena.

Henintsoa H.

Partager sur: