Niverina ny fitoniana ! Tanàna nisian’ny fifandirana sy ny korontana foana tany Benetsy, Toliara II, hatramin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. Niova anefa izany, satria nilamina tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena, natao ny 27 jona teo. Mahay miara-monina ankehitriny ny foko Masikoro any amin’ny fokontany Benetsy sy ny any Ampototse, na misy aza ny tsy fitoviam-pijery, toy ny mikasika ny tetikasa Base Toliara, ohatra.
Fanaon’ny mponina ny manasa ny fokontany hafa manodidina ao anatin’ny kaominina Ankilimalinike rehefa fetim-pirenena na misy aza ny tsy fitoviam-pijery. Tanjona ny mba hifanatonana akaiky hatrany. Mivory eo am-pototry ny hazobe, miresaka mifampizara hevitra mba hisian’ny fiombonana. Nanatrika izany fotoana izany ireo olobe to teny any Benetsy sy ny tanàna manodidina azy.
Manantena ny hisian’ny fiombonana Razakansy, mponina any Benetsy. Nanohana azy koa i Rivo avy any Ampototse. Nasehon’izy ireo tamin’ity fotoana ity fa tsy azo saratsarahina sy zarazaraina ny Masikoro.
Njaka A.