Taninketsa indostrialy : hamelon’aina ny toekaren’ny faritra Atsinanana

Hanova ny fiainan’ireo mponina ao amin’ny distri­kan’i Vatomandry sy Bri­cka­ville ny taninketsa indostrialy napetraka any an-toerana. Ny alakamisy teo, nandray ny milina fanamboarana gilasy fitehirizana sakafo ny tao Vato­­man­dry. Mivelona amin’ny jono ny ankamaroan’ny mponina noho ity toerana ity misy ranomasina sy ranomamy. “Mahatratra 3 taonina isan’andro ny gilasy vitan’ity milina ity”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboa­na ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafin­dra­va­hy Edgard, rehefa niresaka ta­min’ireo mponina sy ireo tomponandraikitra samihafa avy ao amin’ny distrika, ireo m­pan­jono mivondrona anaty ka­opera­tiva ary ny mpandraharaha. Nankasitraka ny fa­ha­zoana ilay milina ny filohan’ny fikambanan’ny mpanjono.
Manodim-bokatra
Nahazo ozinina hanodinana ny akondro sy vomanga ho lasa chips ny distrikan’i Bri­ckaville. Mamokatra akondro 160.000t sy 40.000t vomanga ny faritra. Matetika simba nefa ny vokatra noho ny tsy fisian’ ny fanodinana ankoatra ny fa­no­ndranana izany. Antony na­metrahana ny ozinina mpanodina izany mba tsy ho simba. Ankoatra izay, niresaka tamin’ ny minisitra ireo tantsaha sy ny olom-boafidy ao an-to­erana momba ny olana amin’ny fikarakarana an-tontan-taratasy amin’ny fanondranana kanelina mankany ivelany.

Henintsoa Hani

Partager sur: