Afaka roa herinandro dia hanomboka ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, andiany faha-9. Lalao hotanterahina any Kinshasha, RD Congo, ny 28 jolay-6 aogositra. Tsy mbola misy resaka ny fampivondronana ny Barea U20, taranja baolina kitra. Rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), miandry ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana izy ireo vao afaka manantanteraka ny fampiantsoana mpilalao.
Tsara ny mampahafantatra fa efa ho roa volana izay no nanomanan’ny FMF ity fifanintsanana ity. “Miezaka foana izahay ny mampahatsiahy ny fanjakana, saingy milaza izy ireo fa tsy mbola misy resaka mahakasika izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora”, hoy ny FMF.
Tsiahivina fa mpilalao 20 mirahalahy no mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar U20, hifaninana amin’ny taranja baolina kitra. Miisa 16 ireo zandrikely avy eto an-toerana, raha toa ka 4 ny mpila ravinahitra.
Marihina fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Malagasy, miaraka amin’i RD Congo sy i Congo ary i Canada. Tsara ny mampahatsiahy fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny Barea zandriny. Ankoatry ny lalaon’ny Francophonie, mandray anjara amin’ny Cosafa U20 ihany koa ny Barea zandrikely.
Zongye