Tenisy ambony latabatra : “Expatriés” 5 hanao JIOI

Atleta malagasy, mila ravinahitra any ivelany, 5 no hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Rakotoarimanana Fabio, Razafinarivo Antoine, Jonathan Nativel, Hanitra Karena ary Randrianarisoa Niantsa, izay efa manana “palmares” betsaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izy ireo. Hanomboka ny 24 jolay ny fampivondronana ary etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba no hipetraka ny atleta, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nanamafy ny FMTT fa handrombaka medaly faran’ny betsaka, araka izay tratra, no tanjona ho an’ity taranja ity. Manana fanantenana ny amin’ny hahazoana vokatra tsara ireo atleta malagasy, indrindra ireto “expatriés”, izay vao avy nandrombaka medaly maro nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ity taona ity, ireto. Tsy ambakan’izany koa anefa ireo atleta eto an-toerana izay efa samy nanoman-tena ary izao hiatrika ny fampivondronana miaraka izao, manomboka
amin’io herinandro hoavy io. Vao mainka hampitombo ny herijika ny fahatongavan’ireo Sinoa manam-pahaizana hanome fiofanana sy hizara traikefa ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra.

Mi.Raz

Partager sur: