TSELATRA

 Nahazo fahafahana madiodio, ireo fito lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazavavy iray tao Tsimenatse, Toliara. Niharan’ny fanolanana faobe  ilay zazavavy 13 taona, ny 22 febroary teo. Na­nao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka voasambotra izy 7 lahy. Taorian’ny voka-pitsarana omaly, afaka avokoa ireo nahina ho nahavanon-doza.
 Nidoboka am-ponja ny mpisoloky, naka vola mitentina 4 tapitrisa Ar, tamin’ny olona iray tao Antsohery, fokontany Namakia, kaominina Matsabanja, distrikan’i Mitsinjo. Nitondra vato mirehitra “carbure de calcium”, nolazainy fa mercure, izy. Mitonona ho manana kalanoro sy dadarabe mpiahy koa izy. Nosamborin’ny zandary ny 2 jolay teo ka izao nogadraina izao izy.
 Hotohoton’ny afo ny trano 20 tafo, tao amin’ny tanànan’i Limby, anatin’ny kaominina Amboasary Atsimo, afakomaly.  Niainga tao amina tokantrano iray ny fipoahana ka nitarika ny firehetana. Vatoharatry ny finday nofenoina io nirefotra tampoka io. May avokoa ny ankamaroan’ny entana tao anatin’ireo trano lasibatra.
 Lehilahy iray nahatrarana rongony tapa-gony miampy fonosana am-polony, tao Ambatolampy, afakomaly. Nokasaina hamidy an-tsinjarany ireto entana sarona ireto. Nanao fisavana tampoka ny zandary. Vokany, noraisim-potsiny niaraka tamin’ireto rongony ireto ny tompon’antoka.
Partager sur: