“Misy ny fifidianana ary miroso”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Aza variana amin’ny zavatra tsy hahasoa. Tena hatahoran’ny mpanohitra ny hoe mbola hirotsa-kofidina ny filoha, izay malagasy ray sy reny. Tsy misy ny fanalana ny zom-pireneny amin’izany. Mahazo mirotsa-kofidina izy, rehefa te hirotsaka.
“Izay didy izay ve no mamaly fa ananantsika ny vola enti-manana ny fifidianana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny HVM, i Sambany Alain, manoloana ny namoahan’ny governemanta ny tetiandrom-pifidianana. Mety ho politika ihany no namoahana izany. Eo ny fepetr’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Vondrona eoropenina amin’ny tahirim-bola enti-manana.
Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana
tamin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena Frantsay, teny Ivandry, omaly, fa sahy sy matoky ny tenany izy matoa ho kandidà. Nohitsiny fa fanakanan’ny governemanta ny mpanao politika hafa ny anto-bola 200 tapitrisa Ar. “Te haneho ny maha mpitarika politika azy izy ireny nefa mampalahelo fa tsy afaka…”, hoy izy.
Nahafaly ny ambasady Amerikana ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny datim-pifidianana sy ny fiantsoana mpifidy. Nambarany fa manan-danja amin’ ny tanjaky ny demokrasia ny fifidianana. “Hamafisinay ny fahavononana hanohana izany mba halalaka sy hadio…Vonona ny hihaona amin’ireo mpisehatra politika ny ambasadaoro”, hoy ny fanambarana.