Hitsidika amin’ny fomba ofisialy ny eglizy ao Ambodifotatra Sainte Marie, ny filoha Rajoelina. Ity no eglizy voalohany naorina teto Madagasikara, ary voasokajy ho anisan’ireo harembakoka. Tontosa ny fikarakarana manaraka ny fenitra takina amin’ny maha vakoka azy. Hanatrika ny “carnaval” sy ireo fampisehoan’ny “Festival des baleines” ihany koa ny filoha.
Hanolotra seho hatsikana,“One man show” toy ny malaza amin’izao fotoana izao, etsy amin’ny Restaurant Kinga Mahamasina, i Falitiana Kely.. “RAR.” no hovelabelariny anatin’izany. “Rare, resaka art, rary, sns”, hoy izy. Manan-kozaraina ary azo antoka fa ho dimbin’ireo mpanao hatsikana malaza i Falitiana Kely, ato ho ato. Mety ho ariany hatramin’io Kely io….
Mitohy anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ny fampahantaran’i Bolo ny “Ravitoto’”, etsy amin’ny Chez papa Isoraka. Ireo vazo rehetra voarakitra anatin’ity vokatra ity, izay efa voarain’ny mpankafy ny ankamaroany, no alahatr’i Bolo na Ra-Lobo ao. Ravitoto tsy miainga irery, fa tsy maintsy misy ny fanampiny araka ny fahaizan’ity mpanakanto ity azy…
Nifarana omaly ny fampirantiana «Rado manontolo 100 taona», natao teny amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Ny 10 jolay 2023 no nanombohan’izany. Ny momba azy sy ny tantaram-piainany ary ireo haikanto navelany no naranty teny an-toerana. Mpahay kanto vao misandratra sy mpankafy ny haikanton’i Rado kosa no maro anisa tamin’ireo mpitsidika.