Raharaha Cnaps : mitaky ny hanendrena ny DG ny mpampiasa

Miahiahy ny zava-miseho eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpampiasa samihafa. Amin’ny alalan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Nitaky ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ny hanendrena haingana ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps. “Miteraka olana amin’ny fanatanterahana asa ny tsy fisian’ny tale jeneraly”, hoy izy ireo, omaly. Notohizany fa tokony hiverina hiasa ara-dalàna ihany koa ny mpiasa mba tsy ho sahirana ireo mpisitraka ny tombontsoan’ny Cnaps, indrindra ny hampandeha haingana ny raharaha eny anivon’ity birao ity.
Nisy ny naoty navoakan’ny filankevi-pitantanana manendry ny fiverenan’ireo mpiasa hiasa, saingy mbola hivory indray ireo mpiasa manoloana io naoty io. Tsiahivina fa mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha eny anivon’ny Cnaps. Sahirana avokoa ireo manan-draharaha eny anivon’ity birao ity hatramin’ny niandohan’ny savorovoro eny an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: