Ankoatra ny lalam-pirenena : hamboarina ny lalana tena ratsy eto an-drenivohitra

Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina.

Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ra­tsy, taorian’ny fo­toam–pa­ha­varatra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany ma­nokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana azy. Efa voafaritra ao anatin’ny didim- panjakana 2022-800, nivoaka ny 1 jona 2022 teo, ny manazava izany, milaza fa fanapahan-kevitry ny filohan’ny Re­poblika na ny governemanta no manasokajy azy ho maha maika ny asa.
Voakasik’ity asa tsy maintsy hatao ato ho ato ity, izany hoe, afaka andro vitsy koa ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Efa nanomboka ny asa, saingy vao mainka hafainganina satria lalandràn’ny toekarena, miantoka ny fitaterana ny entana mampitohy an’Antananarivo sy Toa­masina, ity lalana ity, ary misampana any amin’ny faritra hafa avy eo. Laharam-pahamehana hatao ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mo­ra­­man­ga, ny eo ane­lane­lan’An­tsam­panana sy Bric­kaville. Eo koa ny PK 78 ha­trany amin’ny PK 110 mandalo an’Andasibe ary ny eo amin’ny PK 250 hatrany amin’ny PK 345.

Njaka A.

Ampahan-dalana hatao eto Antanana­rivo : Antaninandro-Andravoahangy Fivava­ha­na-Ampandrana- Ankorahotra-Ambanidia ; Mahazoarivo-Ambohimiandra- Mandroseza ; Ankadimbahoaka-Androndra ; Antanimena-Ankadifotsy-… ; Anosy-Andavamamba-…-Jovena Ampasika-…-Ankasina-67ha ; Magro Behoririka-Antanimena ; Ambanidia-…- Tsia­dana ; Ankatso-Antanimora-Mausolée-Ampa­sampito ; Rond point Rocade-Amoro­nankona- Lalamby By Pass-…

Partager sur: