Natao omaly, teny Nanisana, ny famolavolana ny tetikasa hampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tafiditra tao anatin’izany ny fivoriana niarahana tamin’ny tetikasa “Mionjo”, hanatanterahana ireo paikady hoentina mandrafitra izany.
Nankalazaina, omaly, haharitra roa andro, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaran’asa sy ny traikefan’ny tanora, etsy amin’ny kianja Barea. Fikaonandoha hampivelarana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa ity atao ity. Fa indrindra hanamora ny fampandrosoana ny fampiasana ny fahaizan’ny tanora eo amin’ny fiarahamonina tsirairay avy.
Miisa 300 ny mpandeha hanandrana ny zotra an-dalamby “train urbain”, mampitohy ny gara Soarano hatreny Amoronankona. Amin’ny volana aogositra no hanaovana izany, mandalo ny gara miisa sivy, amin’ny lalana mirefy 12 km. Manodidina ny 3 000 isan’ andro ny mpandeha vinavinaina handeha amin’ity zotram-pitaterana ity.
Nozaraina ny 6 jolay teo, ny taratasy fanendrena ny toeram-piasan’ireo mpiasa lefitra ara-teknika amin’ny antontanisa (ADT) sy ny mpanampy ara-teknika amin’ny antontanisa (AST). Miisa 42 mianadahy izy ireo, nitondra ny anarana “andiany Mamiratra”. Hiasa eny anivon’ny minisitera samihafa (Indostria sy ny varotra, Fampianarana, Fambolena, Mponina, sns)