Hotanterahina, anio sy rahampitso, ny ampahavalon-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Dato FC Manakara. Fihaonana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ Ambohidratrimo, ny alahady 16 jolay ho avy izao.
Tsiahivina fa klioba roa mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)” izy ireo. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola nihaona mihitsy ny ekipa roa tonta saingy klioba roa sangany avokoa izy ireo. Ankoatra izay, hihaona amin’i Tsaramandroso Formation ny ASA Nosy-Be. Tsara ny mampahafantatra fa ekipa roa nifanintsana tao amin’ny “OPL” ihany koa izy ireo. Marihina fa miisa efatra ireo faritra handray ny “Telma Coupe”, anisan’izany Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, Toamasina.
Fitia
Ampahavalon-dalana «Telma Coupe»
15/07/2023
Kianja Ambohidratrimo
12 ora : Fosa Junior vs FC Rouge
Kianja Toamasina :
2 ora : AS Fanalamanga vs Kakambary
Kianja Elgeco Plus
12 ora : Elgeco Plus vs FC Mahavatsy
16/07/2023
Kianja Ambohidratrimo
12 ora : CFFA vs EFFCA Mi 20 FC
2 ora : Dato FC vs Ajesaia
Kianja Carion
10 ora : Mama FC vs AS Comato
Kianja Mahajanga
2 ora : Tsaramandroso Formation vs ASA Nosy Be