Nisokatra ofisialy, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety. Klioba 75 avy amin’ny ligy 17 no tonga mandray anjara.
Tsy nahasakana ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, hampanjaka ny mangarahara, ny habetsahan’ny mpilalao mifaninana. Nampiharina avy hatrany tamin’ity fifaninanana ho an’ny sokajy U14 ity ny fanatsarana niaraha-nanapaka dia ny fampanarahan-dalana ny rehetra. Hentitra ary tsy mitsitsy ny « Brigade anti-falsification d’âge » (BAFA), izay miara-miasa amin’ny « Conseil des entraineurs de Basket-Ball de Madagascar » (CEBB) sy ny « Commission Centrale des Arbitres » (CCA), mahakasika ny hala-taona. Tsy maintsy mandalo fanamarinana tsirairay, nanoloana azy ireo sy teo anatrehan’ny dokotera, avokoa ireo mpilalao. Miara-miasa akaiky amin’ny Bianco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena koa ny federasiona amin’izao fampanarahan-dalàna izao. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, mpampiantrano, Andriatsima Hery fa ny ankizy eo amin’ny sokajin-taona mbola ao anatin’ny fahazazana sy fahatanorana toy izao, no hoavin’ny basikety malagasy ka mila tsara kalitao sy voatily tsara. Tombony lehibe koa ny nahazoana ny kianjan’i Mahamasina ka mila vokatra izany, araka ny nambarany hatrany. Kianja mahafeno ny fepetra ny kianja Barea Mahamasina ka izany no antony nanaovana ny fifaninanana eo. Hitarafana izay ho tohin’ny fampiasana ny kianja, ity U14 ity, izay hijerena ny fahaizana manaja ny fotodrafitrasa sy ny fahadiovana.
Araka ny fandaharam-potoana, hatao manomboka ny alakamisy izao, ny dingana farany, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara U14 ity. Efa nanomboka ny sabotsy teo kosa ny fifanintsanana isam-bondrona.
Mi.Raz
Zazavavy
MB2ALL 23-11 ASBM
ABBCM 17-31 PHOENIX
SEPA 24 -33 GOTHAM
ASCUT 29-14 BCI 104
FANDREFIALA 14-15 ALSI
JAP MADA 40-45 LUCADRO
BAS 17-22 AST
ATS 10-30 FBC
AKBB 47-25 CRJS
FANDRASA 4-28 FFPRO BCTM
SAC 38-28 CBF
PINTADE 17-43 DUNAMIS
BCSJA 6-30 ASSM
SEPA 32-29 VEB
Zazalahy
USBM 36-51 COSFA
CBF 44-45 BCI 104
TANORA503 33-66 SAC
AKBB 47-46 FFPRO BCTM
JCBA 58-25 VEB
PINTADE 23-32 NBE
CRJS 53-24 SEPA
SNBC 2-76 MB2ALL
ALSI 18-49 FBC
ABBCM 18-47 ASBM
619 GENERATION 54-33 JAP MADA
ATS 25-51 ASLAS
CBU 25-43 ASA
GOTHAM 51-46 SBC
ACMB 24-40 MFB
ASM 29-47 DTSC