Judo-Afrika « cadets & juniors »: 36 mianadahy ny solontena malagasy

Tsy misy fiovana fa hotanterahina eto Madagasikara, ny 27 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet sy Juniors, taranja Judo. Tsy niova koa, hatramin’izao, ny toerana hanatanterahana izany, araka ny fanazavana avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo, fa ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany. Notan­terahina teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro, ny adina fitsapana farany ireo atleta malagasy, ho an’ny sokajy
-60 kg, -63 kg ary -70 kg, ka fantatra fa 36 mianadahy, 18 mianadahy ho an’ny sokajy Cadet ary 18 mianadahy ho an’ny sokajy Junior, ny Mala­gasy judokas hifaninana. Ireo sokajy 3 ireo ihany no nanaovana “test” farany fa efa no­tsongaina tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo kosa ny sokajy hafa, raha ny fanazavana. Efa nisy ny fepetra napetraka tamin’ireo atleta nofantenana tamin’io fifaninanana nasio­naly io.
Raha ny tokony ho izy, efa tokony hivondrona hiaraka eto Antananarivo avokoa ireo mpandray anjara saingy mbola misy ny fandaminana, araka ny fanazavana ha­trany.

Mi.Raz

Partager sur: