Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “IHF Trophy Continental”, sokajy vehivavy “Juniors” sy “Cadettes”. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ izany i Madagasikara. Tsiahivina fa tompondakan’ny « IHF Trophy Zone 6 » ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy Akio “Cadettes” sy “Juniors”, izay notontosaina tany Afrika Atsimo, ny volana mey lasa teo.
Nandresy an’i Malawi, tamin’ny isa 28 no 17, ny ekipa zandriny, teo amin’ny lalao famaranana, raha toa ka nandavo ny ekipa avy atsy Afrika Atsimo, tamin’ny isa 17 no ho 14, ny zokiny. Ankoatra an’i Madagasikara, misy firenena dimy hifaninana amin’io fotoana io. Ho an’ny “Zone 3”, i Côte d’Ivoire, ny sokajy Juniors, raha toa ka i Nigeria, ny Cadettes. Ny an’ny “Zone 5”, i Rwanda, ny “Juniors”, i Tanzanie ho an’ny “Cadettes”. Raha ny “Zone 2”, i Guinée no solontenan’ity faritra ity amin’ ireo sokajy roa ireo. Fanamby goavana miandry ny Akio indray ny hitondran’izy ireo ny amboara roa eto an-tanindrazana.
Fitia