Kitra – « Telma Coupe »: resin’ny Ajesaia ny Dato FC

Mitohy ihany ny lalana ho an’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana izy ireo, rehefa nandavo ny Dato FC, tamin’ny isa 1 no ho 0.

Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady 16 jolay lasa teo ny ampaha­valon-dalana, fiadiana ny am­boaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena nisongadina, tamin’ny farany herinandro teo, ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Dato FC Manakara. Resin’ny mpilalaon’i Bongolava, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipan’i Mana­kara. Fihaonana natao omaly, teny Ambohidratrimo.
Niady tanteraka ny lalao nandritra ny 90 mn, fe-potoana nilalaovana. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, minitra faha-28, nahatafiditra baolina tokana i Ariel, mpilalaon’ny Ajesaia. Niezaka nanenjika ny isa ny mpilalaon’i Manakara saingy tsy nahatohitra ny hiditrano napetraky ny mpanazatran’i Bongolava.
Araka izany, tapitra hatreo ny fifaninanam-pirenena 2023, ho an’ny Dato FC, raha toa ka manohy ny diany mankany amin’ny ampahefa-dalan’ny fifaninanana kosa ny Ajesaia.
Tsiahivina fa klioba roa mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)” izy ireo.

Fitia

Ireo voka-dalaon’ny ampahavalon-dalana:

Fosa Junior (2) vs (1) FC Rouge
AS Fanalamanga (7) vs (1) Kakambary
Elgeco Plus (3) vs (0) FC Mahavatsy
CFFA (2) vs (0) EFFCA Mi 20 FC
Dato FC (0) vs (1) Ajesaia
Mama FC (3) vs (1) AS Comato
Tsaramandroso Formation (1) vs (3) ASA Nosy Be
Disciples FC (4) vs ASJM (3)

Partager sur: