Lalaon’ny Nosy 2023 : miandry ny fampivondronana ireo atleta

Araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy, tokony ho nanomboka ny zoma 15 jolay lasa teo ny fampivondronana farany sy miaraka ireo atleta hiatrika ny JIOI andiany faha-11. Tsy mbola nisy anefa hatramin’izao ny fampiantsoana ofisialy natao azy ireo. Misy ihany ireo izay manohy ny kotrana sy nomena kianja ahafahana manoman-tena saingy tsy fampivondronana mikaton-trano no hatao. Toy ny taranja volley-ball, miaraka mikotrana eny amin’ny kianjan’i Père Pedro, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ireo mpilalao saingy samy mamonjy ny fodiany rehefa vita ny kotrana. Manontany tena ireo atleta hoe vokatra inona no antenaina amin’izao zava-misy iainan’ izy ireo izao?
Mitantara ny atleta iray sendra anay, teny Mahamasina, fa tsy ampy ny hoenti-manana amin’ny fanatanterahana ny kotrana samirery satria efa ela ihany no nikotraka irery sy naka ho azy teny izy ireo. Maro anefa, hoy ity atleta ity, ny fampanantenana natao izay tsy mbola nisy tanteraka na iray aza. Manaiky ireo atleta fa tsara ny finiavana hoentin’ny tomponandraikitra amin’ny fanomezana fiofanana saingy raha ny tena izy efa somary tara izany ary tsy ny taranja rehetra no voakasika. Aiza ny fanomanantena ho an’ireo taranja hafa ankoatra ny taranja 4 misitraka fiofanana avy amin’ireo Sinoa mpanazatra matihanina?
Nambaran’ny teknisiana iray fa ho sarotsarotra ny hahazoana laharana voalohany izany amin’ity lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara, ity. Mila ezaka azo tsapain-tanana izany, hoy io teknisiana io fa tsy vitan’ny vava fotsiny. Mbola azo antenaina ve ny mana milatsaka avy any an-danitra amin’izao iray volana mahery kely mialohan’ny lalao izao?

Mi.Raz

Partager sur: