Mizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly 2023, eo anivon’ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief). Vonona amin’ ny 80 isan-jato, amin’izao fotoana izao, ny fikarakarana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), ny sabotsy teo, nandritra ny famaranana ny fifaninanana rezionaly Analamanga, teny amin’ny kianjan’ny toby Ratsimandrava. Nisy ihany koa, hoy izy, ny fihaonana tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena , ny zoma lasa teo, ka hanampy ny Asief ny fitondram-panjakana, amin’ity fifaninanana hatao any Toamasina, ny 30 jolay hatramin’ny 12 aogositra,ity.
13 500 hatramin’izao ireo nisoratra anarana
Hifarana ny 25 jolay ho avy izao ny fandraisana anarana ho an’izay handray anjara amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Manodidina ny 13 500 hatramin’izao ny efa nahavita izany ary tanjona ny hahatongavana hatramin’ny 20 000 isa. Manentana ny fiaraha-mironan’ny mpiasam-panjakana rehetra i Jhon Love. Tsy tokony hisy ny hetsika hafa, toy ny ataon’ny “Finances” sy ny “Trésors”, izay mikarakara fifaninanana any Antsirabe.
Nambaran’ny filohany, Andrianarison Jean Aimé, fa ho sarotiny amin’ny fanenjehana ireo mpikarama an’ady, izy ireo, amin’ity. « tsy misangy izay olona na minisitera sy Andrim-panjakana nahatrarana izahay, fa hasehonay amin’ny mpanao gazety mihitsy izy, ka hatao fanta-poko fanta-pirenena toy ireny mpangalatra tratra ireny », hoy hatrany ny nohamafisiny.
Ho hentitra amin’ny fanaovana hosoka, amin’ny alalan’ ny fampiasana ny kara-pilalaovana, ny « céllule de contrôle et suivi » eo anivon’ny Asief.
Mi.Raz