Lehilahy iray maty tsy tra-drano. Lietnà an’ny Tafika, vao 22 taona, namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly . Nidona tamin’ny fiara ny moto notaingenan’izy ireo.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Mandrosoa Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha moto (miaramila manamboninahitra ny iray raha sivily kosa ilay niaraka taminy) no nifandona tamina fiara P.309 iray. Mafy ny fifandonana satria maty tsy tra-drano ilay namany niara-dia taminy. Torana tsy nahatsiaro tena sady naratra mafy kosa ilay manamboninahitra. Tapaka ny tongony ka voatery nentina haingana namonjy hopitaly avy hatrany izy. Voatery nandalo fandidiana izy ka hita ho efa tsaratsara ny fahasalamany, afakomaly, raha ny tatitra voaray avy amin’ireo namany akaiky. Hataraina kosa anefa ny an’ireo namany sy ny fianakaviany fa namoy ny ainy tampoka izy, omaly vao maraina. Marihina fa handeha hody eny Ivato izy ireo no tra-doza tampoka. Mbola ao anatin’ny fahatanorany tanteraka ity manamboninahitra ity satria vao nivoaka tamin’ny andiany farany. Ao anatin’ny fanarahana fiofanana “cours de perfectionnement des officiers” (CPO) eny Fiadanana izy amin’izao fotoana izao, kanjo nindaosin’ny fahafatesana. Mandeha ny famotorana ataon’ny zandary ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra.
Matetika tra-doza ny moto
Nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana. Lohalaharana amin’izany ny moto. Ny ankamaroan’ireo mpitondra moto, misetrasetra kanefa tsy manara-dalàna sady tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mitsofotsofoka any anelanelan’ny fiara, ao ny mipoitra tampoka sy/na manivaka amin’ny lalana tsy tokony haleha. Tsy mahafehy ny moto entiny sady tsy manana fahazoan-dalàna ireo mpitondra moto sasany. Misavoritaka ny fifamoivoizana noho tsy fanarahan-dalàna ataon’ny moto, amin’izao fotoana izao, na manao izay ho afany aza ny mpitandro filaminana amin’ny fandaminana azy ireny.
Jean Claude