Bakalorea Antsiranana : tovolahy nisoloky nivarotra laza adina

Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Antsira­nana, afakomaly, ny tovolahy iray mpisoloky voarohirohy ho nivarotra laza adina Bakalorea. Maro ny fitarainana nataon’olona maromaro voasoloky tamina resaka laza adina Bakalorea amidy amin’ny tambajotran-tserasera. Niainga avy amin’io fitarainana io no nahafahan’ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra ka niafara tamin’ny fahatrarana ity jiolahy ity. Marobe ireo olona roboka ka rehefa mandefa vola amin’ny finday ireo voasolokiny dia hataon’ity mpisoloky ity “liste noire” anaty finday ka tsy mahazo azy intsony. Nanokatra fanadihadiana, araka izany, ny lehiben’ny sampana miady amin’ny heloka ana habaka niara-niasa tamin’ny tambajotra iray ao an-toerana.
Voamarina ny fisian’ity trangana fisolokiana ity. Vokany, tovolahy iray tratran’ny polisy tao Lazaret, afakomaly maraina. Rehefa natao ny fanadihadiana, fantatra fa tovolahy mbola mpianatra izy ity. Karapanondron’olona very no nentiny nividianana “puce” hanaovany ny asa ratsiny. Notazonina hanaovana famotorana ao amin’ny kaomisaria foiben’Antsiranana izy. Misy olona hafa mpiray tsikombakomba aminy koa karohin’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: