Ambohimanarina: orinasa mpandoko moto, nirehitra

May tsy nisy noraisina ny orinasa iray tetsy Ambodi­von­kely, Ambohimanarina, omaly maraina. Tao anatin’ny minitra vitsy, nivadika ho lavenona ny fitaovam-pandokoana mitentina an-tapitrisany. “Ahiana ho fifampikasohana tariby mitondra herinaratra no nitarika ny firehetana”, hoy i Njara, tomponandraikitra lefitra eo anivon’ity orinasa mpandoko moto ity. Vao maraina, nidona-tsetroka ny trano. Nifamon­jen’ ireo ma­nodidina namoaka ny entana tao anatiny. “May avokoa ny entan’ireo mpanjifa, toy ny kojakojan’ny moto holokoina”, hoy io tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa io. Ni­gadona teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina tamin’ny 6 ora sy 43 minitra. Naharitra ora roa ny fifehezana ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy.
Trano roa hafa hotohoto
Tokantrano iray no may teny Ankasina, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nalaky tonga ny mpamonjy voina ka voafehy minitra vitsy ny afo.  An­koatr’io, trano misy rihana iray, tetsy Fort-Duschene, niharan’ny firehetana tampoka ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata. Nisy fahoriana tao amin’io trano io ka voatery navoaka teny an-tokotany ny razana nandritra ny famonoana ny afo. “Niatomboka tao an-dakozia ny firehetana ka niitatra”, hoy ny lehiben’ny Sampa­na mpamonjy voina eto Antananarivo, Kly Tiana Ra­zafimanahaka. Nomarihin’ity farany fa tokony hitandrina ny tsirairay noho ny firongatry ny haintrano tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: