Tsy mitovy ny zom-pirenena sy ny fiaviana. Zava-dehibe tsy tokony hohamaivanina ny momba ny fizakana zom-pirenena, raha ny fanehoan-kevitry ny kandidàn’ny antoko Tsara tahafina, i Paraina Auguste. Tokony ho ny lalàna ihany no tokony hampiharina. Maninona ny zanaka no alefa any ivelany, raha hita fa mandeha tsara ny fampianarana eto Madagasikara? Raha raisina ho ohatra ny filoham-panjakana hafa, tsy mitovy ny fizakana zom-pirenena sy ny fiaviana.
Tokony hifarana amin’izay ny resaka zom-pirenena. Fanakanana sy fahatahorana azy tsy hirotsa-kofidina no ivoizan’ny sasany ny amin’ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena hafa, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nilaza ny marina sy tao am-pony tamim-pitoniana ny amin’ny fizakany zom-pirenena hafa ny filohan’ny Repoblika. Raha mbola misy misalasala na miahiahy, tapitra hatreo ary tokony hifarana amin’izay ny adihevitra momba izany.
Sarimihetsika momba an’i Mandela. Naseho, omaly teny Ankatso ny horonantsarimihetsika momba an’i Nelson Mandela : “Long Walk to Freedom”. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ity afrikanina tatsimo mpitolona, niady sy nanohitra ny fanavakavahana ity izany. Naseho tamin’izany ny fahazazany ka hatramin’izy filohan’i Afrika Atsimo. Teo koa ny nidirany am-ponja, nandritra ny 27 taona.
Miofana mandritra ny herinandro eny amin’ny Antenimierampirenena ireo mpianatra ho mpitsara amin’ny lafiny fitantanana hiofana eo anivon’ny sekoly nasionaly ho an’ireo mpitsara sy ny mpirakidraharaha (ENMG). Nanofana azy ireo tamin’izany ny filoha lefitra Razafitsiandraofa Jean Brunelle sy ny sekretera jeneraly, Randriamahafanjary Calvin. Niompana amin’ny lamina sy ny fampihodinana ny asa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity ny andro voalohany.