Atao eny Ivato mandritra ny telo andro ny atrikasa andiany faharoa momba ny fanentana sy fampiofanana ireo veterinera amin’ny fanaraha-maso ny aretim-biby sy ny aretim-biby mifindra amin’ny olona. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ireo veterinera ka ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby.
Tafapetraka avokoa ireo 21 mianadahy mpikambana ao amin’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Analanjirofo. Nanao fianianana ampahibemaso izy rehetra handraisany ny andraikitra ho fampandrosoana ny toekaren’ny faritra sy ny firenena. Fahombiazana sahady ny fametrahana ireto mpikambana maharitra vaovao ireto.
Manodidina ny 79 dolara ny vidin’ny solika iray barila (=159 l), omaly eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miovaova izao vidiny izao, raha oharina ny tany aloha, satria nahatratra 78 dolara ny marsa 2023, niakatra 84 dolara ny avrily ary nidina 75 dolara ny mey. Lafo indrindra ny solika ny taona 2008, nahatratra 147 dolara ny barila.
Miisa 1.390.000 ny kara-tany hozaraina ao anatin’ny faritra miisa 14, mialoha ny faran’ny taona 2023. Manatanteraka azy ny tetikasa Casef eo ambany fiahain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.