Kitra – Fifaninanana afrikanina : tsy handray anjara ny Fosa Jr noho ny lalaon’ny Nosy

Tsy manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy. Tsy afaka miatrika izany ny Fosa Junior FC na ny AS Fanalamanga. Notendrena hanao ny amboaran’i Afrika ny Elgeco Plus.

Tohina tanteraka ny rehetra raha nandre ny fa­nambarana nataon’ny klioba Fosa Junior FC Boeny sy ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), omaly talata 18 jolay. Tsy afaka hiatrika ny “Ligues des Cham­pions (C1)” aty Afrika ny Fosa Junior Boeny, tompondakan’ny “Or­ange Pro League (OPL)”. Mandà tsy hiatrika izany ihany koa ny tompon’ny amboara lefitra, ny AS Fana­lamanga. Araka io, ny klioban’ny Elgeco Plus irery ihany no manao fifaninanana afrikanina amin’ ity taom-pilalaovana ity “Coupe de la Conféderation (C2).”

Ho an’ny Fosa Juniors FC, ny fifanindrian’ny fotoana ha­naovana ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023 sy ny fihodinana voalohan’ny savaranonandon’ny fifaninanan’ny CAF no tsy ahafahan’izy ireo. Nohamafi­siny koa fa mpilalao miisa 8, izay tena andry iankinan’ny ekipa no voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barea amin’ny JIOI. Araka izany, sarotra ho azy ireo ny handrafitra ekipa hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny C1.

Tsiahivina fa ny mpilala­on’ny Fosa izay nantsoina ho Barea, efa namonjy fampivondronana nanomboka ny 15 jolay, ary tsy mifarana raha tsy amin’ny 6 septambra. “Ny Fosa Junior FC ihany koa dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fandaharam-po­to­anan’ny ekipam-pirenena”, hoy ny klioban’i Boeny.
Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitra havoakan’ ny Kaonfederasiona Afri­kanina misahana ny baolina kitra (CAF) mahakasika izany. Tsara ny mampahafantatra fa ny lalao mandroson’ny C1, hotanterahina ny 18-20 aogositra raha toa ka ny 25-27 aogositra ny miverina.
Ho an’ny Elgeco Plus, tsy mbola tapitra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara eto amintsika, noho izany, izay tompondaka farany no miatrika izany, araka ny lalàna navoakan’ny CAF.

Fitia

Partager sur: