Fanokafana sy famaranana ny JIOI 2023: niantsoana manam-pahaizana manokana

Hiavaka tanteraka ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy no hanampy ny Mala­gasy teknisiana amin’izany.

Nigadona teto Madaga­si­kara, ny fiatombohan’ity herinandro ity, ireo sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy, hiantoka ny fandavorariana ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hijanona eto izy ireo mandra-pahatapitry ny hetsika rehetra, araka ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny COJI (Comité d’Orga­ni­sation des Jeux des Iles). “Tsy hoe tsy manana manam-pahaizana manana traikefa isika fa hanampy sy hanome toromarika hanatsarana bebekokoa ny lalaon’ny Nosy, ireo sinoa 8 mianadahy ireo”, hoy ny nohamafisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Efa manana traikefa manokana izy ireo amin’ny fikarakarana hetsika matihanina. Gasy avokoa no handray anjara amin’ny lanonana fanokafana sy famaranana io fa ny sinoa fotsiny no hanofana sy hampianatra ireo voatsonga handravaka ny lanonana rehetra.

Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny firenena sinoa izao fanampiana ataon’ireto manam-pahaizana manokana ireto izao. Hiavaka, araka izany, ny seho rehetra ho hita amin’io lalaon’ ny Nosy ho avy io.

Mi.Raz

Partager sur: