Nambaran-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny talata lasa teo, tetsy Mahamasina, fa hisy fampivondronana sy fiofanana hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasy, hatao atsy Afrika Atsimo. Hotanterahina aorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy izany, raha tsy misy ny fiovana farany.
Antony roa lehibe ny hiatrehana izany. Eo aloha ny andro farany amin’ny fifanintsanana ny “Can 2024” hihaonana amin’ny Palanças Negras Angola, ny 4 septambra ho avy izao, any Luanda. Nambarany fa na tsy tafita intsony aza ny Barea, mila mandresy mba hahatsara ny laharana eo amin’ny Fifa, ka tsy hanaovana lalao savaranonando.
Ny tena zava-dehibe, fitsinjovana sahady ireo lalao roa voalohany, hiadian-toerana amin’ny “Mondial 2026”, hatao eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 21 novambra, ho avy izao. Hamonjy mivantana ny Barea de Madagascar, atsy Afrika Atsimo ireo mpilalao mila ravinahitra. Raha ny fandaharam-potoana, tsy miverina eto Madagascar intsony ny delegasiona fa mankany Luanda, aorian’ny fiofanana.
Tompondaka