Lalaon’ny Nosy 2023 : hatao eto Antananarivo avokoa ny fifaninanana

Efa nivoaka ireo fotodrafitrasa rehetra handray ny fifaninanana amin’ny laaon’ny Nosy, izay eto Antananarivo avokoa. Anisan’ny nampisalasala farany ny teo amin’ny taranja lomano saingy raha ny navoakan’ny COJI, etsy amin’ ny dobo filomanosan’ny Com­plexe Vontovorona na ANS Ampefiloha no hanaovana azy, miaraka amin’ny handisport. Anisan’ny nanaitra ihany koa ny nahita ny taranja Rugby à 7, izay eny amin’ny kianja Mahamasina no handray ny lalao famaranana, raha ny kianja Makis Ando­hatapenaka no hanatontosana ny fifanintsanana. Ho an’ny taekwondo sy ny karate in­dray, samy hatao eny amin’ny Kianja mitafon’i Maha­masina avokoa. Ny basikety sy ny handball ary ny volley-ball dia samy ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, raha eny Vontovorona sy ny kianja Akamasoa no hanaovana ny fifanintsanana ho an’ireto taranja roa farany. Ho an’ny judo dia ny kianja mitafon’ Ankorondrano no hanatanterahana azy. Samy eny amin’ny CCI Ivato kosa ny ady totohondry sy ny kickboxing. Etsy amin’ny Zone expo Forello no handray ny badminton sy ny tennis de table. Ho an’ny baolina kitra, etsy amin’ny kianja Barea, Vontovorona ary Elge­co By-pass. Ny bisikileta dia eny amin’ny Rocade Iarivo sy lalam-pirenena. Ao amin’ny efitranokelin’ny Lapan’ny fa­natanjahantena ny fibatana fonjamby. Ny tsipy kanetibe, eny Ivato. Etsy amin’ny ACSA Ambohidahy ny tennis ary ao amin’ny Arena Ivandry ny volet jeunesse.

Mi.Raz

Partager sur: