Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Ny ankamaroany, eo an-tanàna ihany. Tsy mivoaka ny trano. Io tranga io no ahatarafana fa tsy milalao na tsy mahay milalao na tsy ampy kilalao ny zaza malagasy. Mihiboka ao an-trano izy ireny : matory, mijery televiziona, manao «jeux»… Mandefa vinany eo am-pitoerana fotsiny.
Tsy hita firy intsony ny zaza na ny ankizy na ny tanora mifanatona, miara-milalao. Tsy fanahinian’izy ireo fa noho ny tsy fahalalana. Tsy nampita ireo ray aman-dreny. Tsy nitaiza araka ny tokony ho izy ny fiarahamonina. Tsy fantatry ny zazavavy intsony, ohatra, ny tsinkonina. Tsy hain’ny zatovo lahy ankehitriny intsony ny milalao fanorona, sns.
Antony iray tsy mampivelatra ny fiainam-piarahamonina malagasy ankehitriny io. Miha very tsikelikely ny firaisankina, fiaraha-mientana, ny fiombonam-po, satria tsy notezaina, tsy nobeazina tao anatin’izany, izy ireo, fony mbola zaza.
Ny lalao na kilalao teo amin’ny Malagasy, sady nanome herim-batana, nampitombo ny herin-tsaina ary nampifantoka ny herim-panahy.
HaRy Razafindrakoto




