Atidoha nikotrika ny famonoana an’i Tsoa, mpihiran’ny VHF ny “sakaizany”, araka ny tatitry ny zandary. Roa lahy no nadatsaka ny ainy. Lehilahy iray hafa, mpiray tsikombakomba.
Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja avokoa ireo olona efatra tompon’antoka tamin’ny raharaha famonoana an’i Tsoa mpihira tao amin’ny tarika VHF, omaly. Taorian’ny nahitana ny vantana mangatsiakan’ity lehilahy ity tetsy Talata Volonondry, nanokatra fanadihadiana lalina ny zandary. Andro vitsy taorian’ny nahitana ny fiaran-dRatompokolahy arak’izany, fantatra avokoa ireo nandray anjara mivantana sy ankolaka nandritra ny famonoana an’i Tsoa. Tomponandraikitra voalohany tamin’ny fahafatesan’ity mpanakanto sady mpandraharaha ity ny sakaizany. “Novonoina tao Analamahitsy ralehilahy”, hoy ny fanazavana nentin’ny lefitry ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo, Lietnà Rakonindrina Rija. Sarintsarim-panehoana sisa noho izany no nanafenan’ireo olon-dratsy ny habibiana. “Nariana teo amin’ny tetezana mampitohy an’i Talata-Volonondry sy Ambohimanarivo tao anatin’ny fiara i Tsoa izay efa notsindromina antsy imbalo”, hoy hatrany ny zandary.
Nitohy nandritra ny alina…
Nanomboka omaly tolakandro, nitohy nandritra ny alina nanoratana ity lahatsoratra ity ny raharaham-pitsarana ireo olona efatra mianadahy nahavanon-doza. Fototry ny olana niteraka ny famoizana an’ity mpanakanto ara-pilazantsara ity ny fifandirana nisy teo aminy sy io sakaizany io. “Nisy resa-bola sy fitiavana no nitarika tonga hatrany amin’ny famonoana”, hoy ny zandary. Nokaramain’ilay vehivavy hanao ny asa ratsy vokatr’io hasarotam-piaro io noho izany ireo roa lahy. Mpiray tsikombakomba kosa ilay lehilahy fahatelo. Rehefa vita ny famonoana, nasian’ireo nahavanon-doza tavoahangy nisy zava-pisotro misy alkaola tao anatin’ny fiara. Naronjon’izy ireo tany ambanin’ny tetezana ny fiara ny 08 novambra. Naharitra folo andro teo ho eo ny famotorana ka fantatry ny zandary ihany ny teti-dratsin’ireo nahavita ny famonoana. Marihina fa mbola nandevina an’i Tsoa ary toa ireny tsy nanao inon’inona ireny ity tovovavy sakaizany ity. Nosamborin’ny zandary izy taorian’io ka izao niafaran amin’ny fihazonana am-ponja izao.
Tsiferana Randriatiana