Sinoa nanao hosoka: polisy nirahany hamono mpiasam-panjakana

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP) tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena momba ilay raharaha vonoan’olona ka nahafatesana mpirakidraharaha sy inspecteur des impôts, ny 15 novambra 2022 teny Ambohimahatsinjo Imerinkiasinina. Toy izao ny santionany amin’ireo fanambarana navoakan’ny MSP : Ny polisim-pirenena dia manamarina fa misy tokoa polisy voarohirohy amin’io raharaha io ary notanana eny amin’ny sampandraharahan’ny zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Misy koa teratany vahiny sinoa izay voarohirohy amin’ity raharaha ity ka efa voasambotry ny polisy eo anivon’ny fiarovana ny sisin-tany (PAF) teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Efa natolotra ny zandarimariam-pirenena miandraikitra ny fanadihadiana izany koa ny raharaha. Ny polisim-pirenena malagasy, tsy miaro ireo mpanao ratsy na iza na iza ary manampy ireo rahalahiny ao amin’ny zandarimariam-pirenena amin’ny  fikarohana ny marina amin’ity raharaha vonoan’olona ity. Ny polisim-pirenena malagasy, manamafy fa tsy fieren’ny jiolahy ao amin’ny polisim-pirenena ka tsy handefitra mihitsy amin’ireo polisy mihoa-pefy.

 

Tratra teny Ivato ilay sinoa…

Marihina fa ny zandarimariam-pirenena no manao ny fanadihadiana mikasika ny raharaham-pitsarana mifandraika amin’ity vonoan’olona ity ary manome tanana amin’ny lafiny rehetra mety ilàna izany ny polisim-pirenena. Efa mandeha ny “procedure administrative” momba ireo polisy ireo ary koa ny fanadihadiana anatiny mifandraika amin’ity raharaha ity. Tsiahivina fa vehivavy mpirakidraharaha eo anivon’ny fitsarana sy lehilahy iray inspecteur des impôts ireto nisy nitifitra ireto. Lehilahy roa no tompon’antoka tamin’ity fitifirana ity. Sinoa sy ilay polisy mpiana-draharaha mpiambina azy miasa any Ambatofinandrahana. Nambanany basy ny olona teny amin’ny manodidina nahita azy ireo nandositra. Natsipin’izy ireo tany anaty kirihitr’ala ilay basy PATT 9mm nitifirana ireto mpiasan’ny fitsarana ireto. Voasambotry ny zandary ilay polisy raha teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato raha nikasa hitsoaka ho any ivelany no tratra ilay sinoa. Ny fanadihadian’ny zandary no nahafantarana fa tratran’ilay inspecteur nanao fanambarana hosoka io sinoa io ka naiditra am-ponja. Ilay mpiraki-draharaha no nisahana ny antontan-taratasin’ady nanenjehana azy. Nahazo fahafahana vonjimaika izy ka izao nahavita namono nahafaty ilay inspecteur des impôts sy mpiraki-draharaha izao.

Jean Claude

Partager sur: