Hetsika “Tselatra” : mpaka an-keriny telo lahy lavon’ny bala

Nifanehatra tamin’ny miaramila nanao fisafoana, voatifitra ny jiolahy telo lahy, mpaka takalonaina nikoizana. Maty tao Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohibary, anatin’ny fari-piarovana Ikopa, izy ireo, omaly. Mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy hafa. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny tao amin’io kaominina io izy telo, ny 26 jona lasa teo. Nitsoaka nandositra avokoa anefa ireo tsy mataho-tody. Nanao vela-pandrika sy fisafoana ny kizo ny miaramila, tamin’ny alalan’ny hetsika “Tselatra”. Vao nangirandratsy, nifanojo tampoka tamin’ireto farany ireo mpaka an-keriny. Raikitra ny fifandonana rehefa nanohitra sady nandositra ireo jiolahy. Vokany, lavo ny telo lahy. Karohina fatratra ny mpiray tendro amin’izy ireto. Tsiavihina, mitohy hatrany ny hetsika “Tselatra” ataon’ny mpitandro filaminana. Nanaovan’izy ireo paikady manokana amin’izany ny toerana voasokajy ho faritra mena.

JC

Partager sur: