Efatra andro nifampitadiavana : Ramatoa hita faty nananton-tena

Hita faty nananton-tena tao an-tranony Ambohijana­hary, kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambaton­dazaka, ny sabotsy 22 jolay teo, ny vehivavy iray. Nifam­pitadiavana nandritra ny efatra andro izy. Lany haika ny fianakaviany. Noho ny faharenesana fofona hafahafa manodidina ny trano fonenany, taitra ireo havany. Tapaka ny hevitra fa hosokafana ny trano. Voamarina fa nihidy avy any anatiny izany.
Vantany vao nisokatra ny varavarana, hita ny vatana mangatsiakany nihantona tamin’ny tady teo afovoan-trano. Nitsirika ny razana ny mpitsabo sy ny zandary. “Tsy nahitana mangana na naratra tamin’ny vatan’io ramatoa io”, araka ny tatitra avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra ao Didy. Efa nikasa hamono tena intelo ilay renim-pianakaviana. Izao niafara tamin’ny fahafatesany izao ihany izany. Niroso tamin’ny fandevenana avy hatrany ny fianakaviany noho ny fahasimban’ny vatany. Mandray an-tanàna ny fanadihadiana ny zandary ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: