Raikitra indray ny fitokonan’ireo mpino sasany tetsy amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, omaly. Nilanja sora-baventy, tsy niombon-kevitra, mahakasika ny fisian’ireo mpikambana anatin’ny birao mitantana ny foibe ireo mpino avy amin’ny solontenan’ny faritra sy avy ao 67 Ha. Niatrana nifehy ny toe-draharaha teny an-toerana avy hatrany ny polisy.
Trano lehibe nisy rihana iray nirodana tampoka teo Behoririka, omaly maraina. Tsy nisy tavela tanatin’ny trano ka tsy nisy ny aina nafoy. Tsy nisy koa ny naratra, raha ny tatitra azo avy amin’ny tomponandraikitra. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina.
Lehilahy fito nosamborin’ny zandary tao Talatamaty noho ny famanizana an-kalamanjana, ny faran’ny herinandro teo. Ho fisorohana ny fahazaran-dratsy sy hanajana ny fahadiovan’ny tanàna, nanao hetsika manokana ny zandary ao an-toerana. Hita taratra tato ato fa miha goragora ny fahafehezan’ny mponina ny fahadiovana
Saika haondrana indray ! Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisin’ny FIP tao Mangatokana, fokontany Antanimalandy, nahitana sokatra marobe miparitaka teo amoron-dalana, izy ireo. Hatramin’izao aloha tsy mbola fantatra mazava izay olona tompon’antoka tamin’ity fikasana hanondrana sokatra ity.