Misy tsy milamina. Naneho ny heviny momba ny fomba fiasa sy ny tranga miseho eo anivon’ny Antenimierampirenena ny depiote teo aloha, Andriantsizehena Benja Urbain na i Bebain.
“Maro anisa ny antokon’ny fitondram-panjakana, nefa mikorontana ambony ambany… Tsy mbola nisy toy izao hatramin’izay”. Io ny nambaran’ny solombavambahoaka teo aloha ary mpiasa eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao, Andriantsizehena Benja Urbain, momba ny fandehan’ny asa eny amin’ny andrimpanjakana misy azy.
Ny fisian’ny fikononkononan’ny solombavambahoaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta, ohatra, tamin’ny taon-dasa. Ireo maro anisa amin’ny solombavambahoaka no nanao sonia ny fangatahana ny hanaovana latsa-bato tamin’izany; avy eo, mikorontana ambony ambany.
Vao tsy ela ny fifidianana fanonganana ny birao maharitra: tsy tanteraka nefa ny maro anisa no manolotra azy. Tsy tonga mivory ny depiote: efatra na enina no mandany lalàna. Iray ny birao maharitra mitarika fivoriana. Tsy mbola nisy toy izany. Eo koa ny tsy nety naharaikitra ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta hatramin’ny fotoana farany; eny, na efa intelo nahemotra aza izany.
“Ny ankoatra an’izay, tsy afenina fa tsy ara-dalàna ny zavatra ato amin’ny lapa”, hoy izy. Na ny fitaovana amin’ny birao, na fanafody, na ny tambin-karama raisin’ny mpiasa rehefa manatontosa iraka… Tsy misy avokoa izany. Mampalahelo. Manahirana ny mijery azy, raha izany no mitohy, araka ny nambarany.
R. Nd.




