Maro ireo fialamboly “vita Bacc”, tamin’iny faran’ny herinandro iny. Nanomboka izany ny “Fiderana vita Bacc”, teny Antsahamanitra, ny zoma teo. Somary vitsivitsy kanefa afa-po tamin’ny fiderana an-kira ireo tonga nanatrika. Nahatontosa ny iraka napetraka taminy ireo tarika sy mpanakanto marobe, toa an-dry Jaws Band, Aaron Pretra, Dida sy Tahiana, sns.
Nahasarika tanora hatrany ny “Smile Party. Nozaraina roa ny toerana tetsy amin’ny garan’i Soarano, ka ny voalohany nandray ny “Smile Party” mahazatra, ary ny faharoa kosa ny “Party up”. Nifandimby nanafana ireo toerana roa ireo ny mpikosoka kapilan’ny RDJ’s Team, izay misy efa teo hatramin’izay 20 taona nisian’ny RDJ, mpikarakara ny hetsika izay.
Ireo tanora mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao kosa no nifandimby an-tsehatra tetsy amin’ny Esca Antanimena, omaly. Wawa & Youngs, Rim-kA, Ljo, agrad, Raouto, FSC Mozika, Rappa, Basta Lion, Zaza Milay, sns. Gadona niovaova saingy tsy dia nifanalavitra satria samy tamin’ny nandrasan’ny mpijery, izay ankizy sy tanora ny ankamaroany.
Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa Manoova sy ny Omda. Tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevi-pitantanan’ity ofisy misahana ny zon’ny mpamorona ity io, mba hametrahana mangarahara amin’ny fisitrahan’ny mpanakanto mpamorona ny zony amin’ny alalan’ny fanavaozana ara-haitao ara-kajy mirindra. Laharam-pahamehana ny fampidirana ireo sanganasan’ny mpanakanto anaty rindrambaiko lehibe.