Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety, ny Lucadro avy eto Analamanga. Tsy mbola fantatra kosa ny tompondaka ho an’ny zazalahy.
Norombahan’ny ekipan’Analamanga, ny Lucadro ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety. Resin’izy ireo tamin’ny isa 34 no ho 24 ny ekipan’ny Academics Analamanga, omaly. Laharana fahatelo ny Dinamus Analamanga, fahefatra kosa ny FBC Analamanga.
Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny fifaninana natao nanomboka ny 15 jolay, ny laharana faha-5 ny Lucadro, Hantanirina Keilha Archa. Anisan’ny mpilalao mendrika ihany koa, Randriamasimanana Hasina (N°4 Dunamis), i Tolomanana Prisca (N°15 Gotham), Rabeniamina Tiffany (N°2 Assm) ary Rakotoson Nicole (N°11 Academics).
Nikorontana ny lalao
Raha tontosa ny fifaninanana ho an’ny sokajy zazavavy, miandry ny an’ireo zazalahy. Maro ny sakana nitranga nandritra ny manasa-dalana, toy ny fihaonan’ny JCBA sy ny SAC. Tsy nisy ny marimaritra niraisana, rehefa nampanantsoina ny andaniny sy ny ankilany. Antony nanemorana ny lalao manasa-dalana sy famaranana izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety.
Anisan’izany ny tsy faneken’ny ekipa sasany ny fitsirihana, toa an’Aslas Diana, izay nahazo fanamarihana avy amin’ny ekipan’ny SAC. Tsy nanaiky ny “test radiographique” ho an’ireo mpilalao miisa 2 ny ekipa. Voasazy ny Aslas ka “forfait” avy hatrany. Nisy ny ekipa tsy nety nilalao, “forfait” ihany koa, toy ny CRJS Toamasina. Vokany, hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny dingana famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazalahy, taranja basikety.
Nanamafy ny federasiona fa miezaka miady amin’ny hosoka isan-kazarany sy ny hala-taona. Tsy manakana izay mahatsapa fa misy kolikoly ka te hitoroka izy. Mampitandrina kosa ny federasiona, ho an’izay manao fanasoketana sy fanendrikendrehana kanefa tsy manana porofo. Hisy ny fepetra horaisina mifanaraka amin’izany.
Mi.Raz