Sombim-baovao

Hifarana anio ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny ligim-paritra, taranja baolina kitra. Ny sabotsy 12 aogositra ny hanatontosana ny fifidianana manerana ny ligim-paritra 23. Izay ho lany eo no hifidy indray ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasy (FMF), ho an’ny taom-piasana manaraka.

Hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra 2023, any Tunisie ny fifanintsanana hiadian-toerana hiatrehana ny lalao Olympika 2024, hatao any Paris eo amin’ny taranja rugby lalaovina olona fito, sokajy vehivavy ho an’ny faritr’i Afrika. Hiady lohany amin’izany i Tunisie, Madagasikara, Afrika Atsimo, Ghana, Kenya, Ouganda, Zambie ary i Zimbabwe.

Nivoaka ny sabotsy lasa teo ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), andiany faha -11. Hira mitondra ny lohateny “Fandresena mitondra anaty firaisankina sy fahasamihafana.” Tsiahivina fa hotanterahina eto amintsika manomboka ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao ny JIOI 2023.

Partager sur: