Mitohy ny fanatsarana sy fanamboarana ny “piste” hihazakazahana ao amin’ny kianja Barea sy Alarobia. Toerana hanaovana ny taranja fototra atletisma, amin’ny lalaon’ny Nosy.
Anisan’ny fotodrafitrasa handray ny fifaninanana taranja fototra atletisma amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ho tanterahina eto Madagasikara, ny kianja Alarobia. Nanomboka ny fiandohan’ity volana jolay ity, nikatona tanteraka ny kianja noho ny asa fanamboarana.
Nasiam-panavaozana, ny toerana fihazakazahana. Efa nanomboka nametraka ny “tartan” vaovao ireo orinasa misahana izany, ny herinandro lasa teo. Namboarina ny bozaka sy ireo efitrano fisoloana akanjo. Tsy natao ambanin-javatra ny toeram-pidiovana ao amin’ny kianja Alarobia.
Ankoatra izay, nasiam-panitsiana ny kianja Barea Mahamasina. Nametrahana ny “piste
d’élan”, ho an’ny vikina. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique, fa hatao ao Mahamasina ny hazakazaka rehetra, miampy ny vikin-dava sy ny viki-miakatra ary ny vikina intelo. Hotontosaina eny amin’ny kianja Alarobia kosa ny fanipazana fonjamby sy ny maritoa ary ny lefona.
Tsy anisan’ireo hiadiana ny medaly volamena amin’ity ny “3 000 m steeple” noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa mifanahaka amin’izany.
Tsiahivina fa ankoatra ny atletisma, hatao ao amin’ny kianja Barea, ny lanonam-panokafana sy famaranana ary ny taranja baolina kitra.
Tompondaka




