Fiba 3×3 Wuxi Challenger: laharana fahefatra ny ekipa malagasy

Tafapetraka eo amin’ny laharana fahefatra ny ekipa malagasy «Team Antananarivo», tao anatin’ny fifaninanana «Fiba 3×3 Wuxi Challenger», taranja basikety, notontosaina tany Chine. Fifaninanana nanomboka ny 21 jolay lasa teo ary nifarana omaly alahady 23 jolay. Teo amin’ny lalao manasa-dalana, nanoloana ny ekipan’ny Beijing no nifarana ny lalan’i Elly, Fiary, Arnol ary i Livio, rehefa lavo tamin’ny isa 12 no ho 18 izy ireo. Nahazo fandresena indroa nisesy kosa ny Team Antananarivo, talohan’io faharesena io. Fandresena nanoloana ny Sansar Mongolie, tamin’ny isa 16 no ho 14, ny azon’izy ireo voalohany. Nitohy tamin’ny lalao ampahefa-dalana, nanoloana ny ekipan’ny Raudonondvaris Hoptrans (LTU) izany, ny sabotsy lasa teo. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 20 no ho 18, ny ekipa malagasy ka nahazo ny tapakila niatrehana ny lalao manasa-dalana nanoloana ny Beijing. Tsy tapitra hatreo anefa ny lalan’ireto mpilalao ireto. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana faharoa izy ireo, rehefa nahazo ny laharana fahefatra amin’ny mpifaninana 14. Fifaninanana izay hatao any Taipei, ny 28 sy 29 oktobra ho avy izao. Tsiahivina fa fandraisana anjara voalohany iny natao tany Chine iny ho an’i Madagasikara, kanefa efa nahazoana vokatra tsara toy ireny sahady.
Marihana, tohin’ny zava-bita tsara izay nataon’ny Ankoay, nandritra ny fifanintsanana sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja basikety 3×3, natao farany teo, ny nanomezan’ny FIBA ny tapakila niatrehana ity fifaninanana natao tany Chine ity. Mbola maro ny fanampiana iraisam-pirenena hositrahan’ny Ankoay, avy amin’ny FIBA, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel.

Mi.Raz

Partager sur: