Nambaran-dRakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, ny zoma lasa teo, tetsy Mahamasina, fa niantso mpilalao mpila ravinahitra miisa 3 izy hanatevina ny Barea. Hanampy ireo efa ao anaty lisitra, hikatrohana amin’i Angola, mandritra ny andro fahefatra, fifanintsanana CAN 2024. “Tsy mbola afaka hanambara ny anaran’izy ireo aho fa ny hany azoko lazaina dia mpilalao avy ao Eoropa sy Frantsa ry zalahy”, hoy izy. Fihaonana hotanterahina any Luanda, eo anelanelan’ny 4 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao.
Na tsy tafita amin’ny dingana famaranana intsony aza ny Barea, tsy manao ambanin-javatra ny fanomanana i Rôrô. Efa manomana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026” rahateo ny ekipa malagasy.
Nidina any Mahajanga manohy ny fanomanantena amin’ity fihaonana ity sy ny lalaon’ny Nosy ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana, hisy lalao hikatrohan’izy ireo amin’i Mayotte, ny 30 jolay, ao amin’ny kianja Rabemananjara sy amin’i Kenya, ny 15 aogositra, etsy Mahamasina.
Tompondaka