INDRAY MIJERY

Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny volana avrily ny fotoana mampirongatra ny valanaretina pesta. Efa miomana amin’ny fanentanana sy ny paikady hiadiana amin’ity aretina ity ny tomponandraikitry ny fahasalamana eny ifotony.

Hatsangana any Ambilobe, ny hopitaly manara-penitra vaovao, araka ny nampanantenan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny asa. Hanampy ny mponina ny fahavitan’ny fotodrafitrasa.

Miara-miasa ny UNFPA sy ny USAID amin’ny fanentanana ny mponina any atsimon’ny Nosy ho sahy mijoro amin’ny fanoherana ny fanangolena sy ny fanararaotana ara-nofo. Faritra ianjadian’ny haintany, ny any atsimo ary maro ireo mitsoa-ponenana vokatr’izany ka mora iharan’ny fanararaotana.

Nanao tombana ny asa vita mikasika ny tetikasa Asa avotra Mirindra tao Amoron’I Mania ireo tomponandraikitra. Velaran-tany 50 ha no efa voajary tao anatin’ny 4 taona. Tokantrano 22 000 no nisitraka ny Vatsin’ankohonana sy nahazo tohana ho an’ny distri­kan’i Manandriana, Ambositra, Fandriana.

Partager sur: