Fotoana manomboka mampirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mirefy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, Ihosy, Ampanihy. Anisan’ny ahitana koa ny afovoany andrefana toa ny any Mandoto sy Ambatofinandrahana. Araka ny tatitry ny ao amin’ny IFVM sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, toerana saika fanatodizan’ny andiam-balala ireo voalaza ireo.
Natao ny 17 jolay teo, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale teknikan’ny IFVM, izay nisahana ny fitantanana vonjimaika, Andriamaroahina Tsitohaina, sy ny tale jeneraly izay voatendry, ny Dr. Edaly. Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, sy ny tomponandraikitra ambony samihafa. Nambaran’ny minisitra fa tsy maintsy homanina mialoha ny hoenti-miatrika ny andiam-balala amin’izao fahataperan’ny andro ririnina, sy hidirana amin’ny main-tany izao. « Tsy andraikitry ny IFVM irery ny ady amin’ny valala, fa manana anjara koa ny minisitera hafa », hoy ihany izy.
Njaka A.