« 63 taona niverenan’ny fahaleovantena, mbola fikarakarana fanadinam-panjakana no olana ho an’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Rabary Paul, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Navoitrany fa tsy voafehin’ny fanjakana ny toe- draharaham-pirenena. “Diso ny fanapahan-kevitra noraisina”,hoy izy. Niteraka fikorontan-tsaina tamin’ireo mpiadina ny fanoloana ny laza adina “Tantara sy Jeografia” sy ny hamerenana indray, ny zoma teo. Fahafaham-baraka ho an’ny firenena tanteraka anefa izany, raha ny nambarany. Ankoatr’io, tsy fantatry ny fitondram-panjakana ny tena zava-misy eny ifotony. “Tsy misy jiro ny ankamaroan’ireo ivontoerana nanaovan’ny mpiadina fanadinana”, hoy ny fanamafisan’ity filohan’ny antoko Ny fireneko ity. Hiteraka fahavoazana ara-moraly ho an’ireo mpiadina sy fitontongan’ny lentan’ny fampianarana ny vokatra. “Ho tsara ny taham-pahafahana na ho ratsy indrindra”, hoy izy. Tsiahivina, tao anatin’ny dimy taona, indroa nahitana tsy fahatomombanana ny fanadinana.
Tsiferana R.




