Arsevekan’Antananarivo : nakotroka ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu

Tontosa ny sabotsy 22 jolay 2023, ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, Arsevekan’Antananarivo vaovao, teto amin’ny diosezin’An­tananarivo. Hetsika maro no nentin’ny mpino katolika nandray ny raiamandreny am-panahy, hiandraikitra ny diosezin’Antananarivo. Nan­dray azy ny Mgr Razana­kolona Odon Marie Arséne sy ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Nanotrona azy ireo ny tomponandraikitry ny fiangonana katolika sy olom-panjakana. Teny Manjakandriana, vavahadin’ny diosezin’Antana­narivo no nitsenana azy. Ha­faliana no nandraisan’ny mpino tamin’ny toerana nandalovany mandra-pahatongany teny amin’ny Katedraly Andohalo.
Nisy ny fomba fanao, nanolorana ny fanalahidin’ny tanàna, nentina nandraisana ity raiaman-dreny am-panahy ity. Ny Alahady 30 jolay 2023, eny Soamandrakizay no handraisan’ireo mpino katolika, eto amin’ny diosezin’Antana­narivo azy, voalohany.
“Tsy mba misy tahotra ny fitiavana”, io no teny entin’ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, manatontosa ny iraka nanirahana azy. Nirary soa ny rehetra ary nangataka ny hampanjakana ny fitiavana amin’ny sehatra rehetra ity raiamandreny am-panahy ity, teo am-pandraisana azy teto Antananarivo.

Lin M.

Partager sur: