Fanondranana henan’omby: tsy manaiky ny mpiompy

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 6 jolay teo, ny hanatontosana fakana ny hevitry ny besinimaro mikasika ny fanondranana henan’omby any ivelany. Natao ny 6 ka hatramin’ny 10 jolay teo izany tany amin’ny distrika Ambovombe, faritra Androy, sy Taolagnaro, faritra Anosy. Izany no natao dia noho ny fitsanganan’ny orinasa tsy mi­ankina, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Raha aravona ny hevitra, maro ireo tsy mankasitraka ity fanondranana henan’omby ity. Antony, mampirongatra ny halatra omby izany ka vao mainka hanjaka ny tsy fandriampahalemana. Nisy koa ireo nilaza fa harena sy vakoka ho an’ny Malagasy ny omby, ilaina amin’ny vanim-potoana lehibe, toy ny an-kafaliana sy rehefa sendra misy ny fahoriana.
Tsiahivina fa efa nisy fotoana nananganan’ny orinasa tsy miankina sinoa, toerana famonoana sy fikarakarana ny henan’omby haondrana any Sina teny Vontovorona sy Ihosy, ny taona 2016. Nika­tona sy nitsahatra avokoa izy ireny taty aoriana. Voarara koa ny manondrana henan’omby any Eoropa, nanomboka ny taona 2019.

Njaka A.

Partager sur: