INDRAY MIJERY

 Nanomboka omaly ary hifarana ny alakamisy ny andiany faharoa (2ème série) amin’ny fanadinana bakalorea, sampana teknika, manerana ny Nosy.
10 353 ny isan’ny mpiadina ho an’ny sampana technique professionnelle ary 610 ny sampana technique technologie anatin’ny faritany enina.
 Hosantarina, anio, ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona. Misy fanentanana faobe momba ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana izay mitarika ny fiparitahan’ny valanaretina poliomelita mifanindran-dalana amin’ny fanaovam-baksiny ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
 Manamarika ny faha-50 taona nijoroany ny sekoly ambony politeknika Vontovorona amin’ity taona ity. Efa an’aliny ireo enjeniera sy manam-pahaizana am­bony navoakan’ny sekoly tao anatin’izany 50 taona izany miantsehatra amin’ireo orinasa vaventy. Lalam-piofanana efatra no afaka isafidianan’ny
tanora eny an-toerana.
 Fiaraha-mivavaka lehibe no iarahan’ny mpino advantista etsy Soamanandrariny, ny sabotsy  izao, handraisana fiofanana. Lohahevitra mikasika ny fiainana kristianina hanovozan-kery no hatao. Ho avy eto Madagasikara rahateo ny talen’ny departemanta Fipikri eo anivon’ny firaisamben’ny fiangonana advantista aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika.
Partager sur: