Nisandoka ho mpitandro filaminana miaraka amin’ny fanamiana, tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambohidratrimo, ny lehilahy iray, ny 21 jolay lasa teo. Nanararaotra olon-tsotra teo Mandrosoa Ivato izy, herinandro mialoha io nisamborana azy io. Nangalany vola ny mpitondra fiara nosakanany ary nitonon-tena ho zandary am-perinasa ity mpisoloky ity. Ankoatr’io, moto an’olona hafa iray koa nohazoniny noho ny fisandohana io ihany. Nametraka fitarainana teny anivon’ny tomponandraikitra ny lasibatra. Voasambotra, tratra teny amin’io lehilahy io ny fanamiana zandary niaraka tamin’ilay moto an’olona nosolokiany. Efa mpianatra zandary ny taona 2011 izy saingy nesorina noho ny fitondrantena tsy mendrika ny sata mifehy. Voafitany avokoa hatramin’ny ray aman-dreniny, tao anatin’ny 12 taona. Ireto farany izay nandray azy hoy toy ny mpitandro filaminana. Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika io mpisandoka andraikitra io.
Tsiferana R.