Hatao ny 5 aogositra izao, eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola, ny fifaninanana Jiujutsu Brésilien “Grand Open Mada NOGI”. Klioba miisa 13 no hifaninana, ahitana ny Attila, Base, BJJ Esca, CBC 101, Checkmat, Estrela, Felana, Freefight, Guereros, One Tribe Tana, One Tribe 501, Southside ary ny Yoseikan Budo. Ny Club 101 Jiu Jutsu no mikarakara ity fifaninanana ity izay efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny JiuJutsu Brésilien. Natao ihany koa ho fanomanana ny Malagasy mpikatroka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena miandry. Tsiahivina, efa nisy ny fifaninanana voalohany natao tamin’ity ho an’ny taranja JiuJutsu, izay natao teny Soarano, ny volana jona lasa teo. Mbola hisy ihany koa ny manaraka aorian’ity « Grand Open » ity. Ao anatin’ny fanapariahana sy fampahafantarana bebe kokoa ny taranja amin’izao ny federasiona ka miezaka ny manao hetsika maro amin’ity taona ity. Raha hiverenana ny mahakasika ny « Grand Open Mada NOGI”, hanomboka amin’ny 9 ora ny fotoana eny Ambohimanambola. Ankoatra ny fifaninanana JJB NOGI, hisy fanentanana maro eny an-toerana.
Mi Raz