FANTINA sy FINTINA

Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ireo filoham-pirenena momba ny “Capital humain en Afrique”, any Tanzania, nanomboka omaly ary hifarana anio, ny filoha Andry Rajoelina. Handaha-teny momba ny “Fam­pandrosoana ny traikefan’ny tanora hiantohana ny ahafahan’izy ireo miasa” izy, anio.
Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-67 taonany i Seva Ambony Simon. Tale jeneralin’ny ORTM teo aloha (2003 – 2009), talen’ny RNM ny taona 1993 – 1997 izy.Nianatra ny asa an-gazety tany amin’ny Fi­raisana sovietika. Mpampianatra teny amin’ny oniver­siten’Ankatso, taranja “Ny Radio” izy.
Nisantatra ny fihaonana amin’ny ambasadaoro Amerikanina, i Claire Pierangelo, teny Andrano­mena, afakomaly, ny filoha teo aloha, Rajaonarimam­pianina. Naneho fahavononana ho amin’ny fikaroham-bahaolana sy ho fikatsahana ny tombontsoa iombonana ny mpanorina ny HVM.
Nambaran’ny SG-n’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, i Tahiry Miakadaza, omaly, fa tsy afaka handray anjara amin’ny fifidianana ireo “Diaspora”. “Tsy miankina aminay irery izany fa misy ny dingana arahina sy efa mandeha any anivon’ny Ceni ka tsy mbola fantatra ny fiafarany”, hoy izy.

Partager sur: